Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 08 October 2017

EZAKA, VALOPY, VOKA-DEHIBE, KARAZANA ALAHADY ...

 -Grille de protection = ENY. Tsy maharaka ny anjely mpiambina ka efa very tao hatramin'ny tabilaon-kira

-Orgue = ENY. Vizana be ny fen'Ingahy Rasolo mivoy an'ilay harmonia

-Fanamafisam-peo = ENY. Vizana be mihogahoga ingahy Randria mpilaza raharaha

-Kitapo fanantazan-drakitra = ENY. Mba tsy ho sadaikatra ny mpandefa bokotra sy paracetamol raha ilay vilia mitalesaka

-Dalle amin'ny fanambanin'ny trano = ENY. Miraikitra anelanelan'ny gorodona ny vodin-kiraroko

-Akany sy trano vadim-piangonana = ENY. Tsy fanaovana fety sy lavanty sy vary mitsangana ny trano fivavahana fa aoka hiavaka. Avelao koa ry pasitera hanahy ny lambany any aminy fa tsy hitambatra amin'ny trano fiangonana.

-Lakolosy elektronika = TSIA.

-Fanamboarana ny Rova = TSIA.

Zavatra hafa havaozina sy ihavaozana fa avelao ny lakolosy ho amin'ilay feony iny ihany.

Mandihiza gweta sy kilalaky sy dombolo sy wadraha ao am-piangonana fa aza ovaina ny lakolosy

Asio feony isan-karazany ny "Amen" fa aza kitihana ny lakolosy

00:03 Posted by Rondro H REGNIER (Bozy Boléta) | Comments (0) |  Facebook | |

1 2 3 Next