Friday, 21 April 2017
8:28d
Tsy lera io fa toko sy andinin'ny epistilin'i Bozy. Ary lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, fa ny toetr'andro dia miara-miasa hanampy an'i Jean-Louis. Rehefa hain-tany, maty daholo ny hazo. Mihena ny zava-maniry tondrahany. Rehefa avy ny orana, velom-bolo koa izy fa tsy manondraka satria efa vitan'i Zanahary. Izany hoe, tsy miasa mihitsy i Jean-Louis mandavan-taona. Miasa ihany fa kely.