NA TONDRAKA AZA NY RANO
Tuesday, 21 March 2017
Namoy ny rainy ny namana anankiray, sivy volana taorian'ny nahalasanan'ny reniny.
Efa ho an'arivony ny fanehoana fiaraha-miory sy fampaherezana nataon'ny olom-pantatra tao amin'ny tambazotra Facebook.
Fa novalian'i #Gérard_Rambolamanana tsirairay, araka ny tandrify, voatonona anarana. Tsy valin-teny safobemantsina copiée collée.
Tsy teny foana ilay hoe miorim-paka hanasoa olona. Mitoetra ao anatintsika ny fiheverana ny hafa. Tsy fialantsika tsiny ny hafenoan-drano be loatra.
"Andriamanitra Tompon'ny Aina anie, hitandrina anareo fanahy amam-batana, hiaro anareo amin'ny ratram-po ka hanamaivana ny fahatsiarovana rehetra miteraka alahelo"
AMDG
Bozy
The comments are closed.