Sunday, 28 July 2019
FAMPIANARANA, HONO
Adihevitra be ity tetiandro sy fandaharam-pampianarana atao hoe PSE*. Toy ny mahazatra moa, dia samy te hametraka ny dian-tanany ny mpitondra mifandimby. Na mety na tsy mety ny navelan’ny teo aloha, na ohatrinona na ohatrinona ny masonkarena sy fatiantoka sy tombony tamin’ny nataon’ny teo aloha, dia tsy maintsy mitondra fiovam-penitra mahery vaika. Fampianarana ilay resaka. Indraindray izy io atao hoe fanabeazana. Tsy mitovy mihitsy izany ka ifanaraho aloha. Tsy aritro fotsiny fa nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ilay ramatoa ministra, ary nitsotra fa nanao an’izay hahazoan’ny...