Sunday, 03 February 2019
ITSIMIHATSAKA

Rehefa Itsimihatsaka no mihotsaka. Ampamarinana. Famarinana. Ny anarany dia efa miteny. Teo amin’io harambato hantsana be io no navarina izay « meloka ». Voaheloky ny nanana fahefana. Notantaraina tamiko fa rehefa tapitra avokoa ny ain’ireo olona tsy nety nandà ny finoany, navarina teo Ampamarinana sy nodorana teny Faravohitra, dia nisy avana nitranga ka ny tongony iray nitsatoka teny Faravohitra, ny iray teo am-pototr’Ampamarinana … Izaho ilay nanoratra ny tantaran’ilay mpifatotra tsy fantatra anarana tao Ambodin’Andohalo. Izaho ilay...