Izaho dia mpitady "sitrany" loatra amin'ny fividianan-javatra, toy ny ankamaroan'ny olona ihany angamba, saingy tandremako kosa mba tsy hividy eny amin'izay toerana efa mampiahiahy. Raha hividy fanafody aho dia eny amin'ny farmasia ihany. Tsy eny amoron-dalana mandritra ny fitohanan'ny fifamoivoizana mihitsy aho no hividy zavatra mitentina an'aliny na ana-hetsiny. Efa hadalana raha izany. Saingy na mitandrina aza, voa ihany. Tsy kely lalana ny olona. Toa ahy be tetikady ihany koa no mba mampiketrika ny sain'ny hafa. Ary rehefa nahazo lesona tamin'ny zavatra iray, dia voa amin'ny...

Read more 0