Monday, 20 March 2017
ZON'OLOMBELONA
10 DÉCEMBRE Lasa ihany ny saina teo am-pandrenesana valan-dresaka iray mikasika ny zon’ny voafonja. Tsy hasian-teny ny amin’ireo voaendrikendrika sy marina mitavozavoza ka manefa eny am-ponja. Ireo tena nanao no horesahina, ary samy mahalala ny tenany ny tsirairay, samy mandre ny feon’ny fieritreretany. Manana zo hanana fiainam-pianakaviana : mba tonga tao an-tsain’ilay mpamono olona ve fa nanapotika fiainam-pianakavian’olona izy ? Ilay mpamily novonoina iny ange ka andrim-pianakavian’olona, vady tiana, zanaka malala, havana tsy foy. Tsy vitan’izay nampijaliana fa...