Monday, 04 September 2017
NY VOANJON'I ZOKY MALALA
Aza hitako izay niova hevitra i Zoky malala ka nampiasa facebook dia hitany ity ! Tantaraiko aminareo mantsy ny nanjo azy mba hitsikitsikiana, tsy atao imasony. Fa izaho aloha, onena. Izy dia nihafihafy kely izay. Tamin'izy mbola tany amin'ny sekoly fanabeazana fototra dia voanjo no fitondrany (nampitondraina azy). Voanjo vokatry ny tany io fa tsy vidina. Ampirimina tsara io ka tsy hanina raha tsy rehefa eny an-dalana hody amin'ny hariva. Tsakotsakoina irery miaraka amin'ny adim-piainana isan'andro. Indray fakàn-drivotra, dia hoy ny zazalahy madinika mpiara-mianatra : "ahoana lesy e,...