Sunday, 11 August 2019
DIA NIOVA AHO
Tsaroako izany fahiny … Tena mbola zaza aho dia nazoto nandray anjara tamin’ny karazana fifaninanana tamin’ny taranja nananako talenta : lahatsoratra . Ary izaho tsy manao raha tsy mahazo antoka fa handresy. Tsy hoe tsy ho resy, fa handresy. Dia lava dia lava tokoa ny lisitry ny fifaninanana nasionaly nahazoako loka sy amboara. Ny tenako dia mahalala fa nadio ny lalao : tsy nisy na inona na inona nataoko afa-tsy ny nanoratra, natao ao anaty valopy kely ny momba ahy, dia natambatra tamin’ny valopy lehibe izy rehetra, ary nalefa paositra talohan’ny fe-potoana voalaza, nohamarinin’ny...