HIC-ET-HIAKA

Tag > zara mira

Saturday, 29 February 2020

KOLONTSAIN'NY ZARA MIRA !

mofo.jpg

Fony mbola teo avokoa ny « olon-dehibe » tao amin’ny fianakaviana, izany hoe ny mitovy laharana tamin-dry dada, dia nisy fihaonana in-telo isan-taona, niarahana nikorana. Indray mandeha, dia teny Ambatofotsy teny, tao amin’ny sahan-dry dadafara. Vao nanambady ny zanak’anabavin’i dada i Patricia tamin’izay, nantsoinay hoe Rasoa. Natoby tao amin’ny fiarakodia anankiray, itony antsoina hoe pick-up ny sakafo rehetra, ary Rasoa no tompon’andraikitra. Rehefa avy mihenjy izahay ankizy madinika, dia manatona eo, hisotro rano, satria tena maina ny tenda. Sady mihazakazaka, no...

Read more 0

Sunday, 11 August 2019

DIA NIOVA AHO

Tsaroako izany fahiny … Tena mbola zaza aho dia nazoto nandray anjara tamin’ny karazana fifaninanana tamin’ny taranja nananako talenta : lahatsoratra . Ary izaho tsy manao raha tsy mahazo antoka fa handresy. Tsy hoe tsy ho resy, fa handresy. Dia lava dia lava tokoa ny lisitry ny fifaninanana nasionaly nahazoako loka sy amboara. Ny tenako dia mahalala fa nadio ny lalao : tsy nisy na...

Read more 0

No more posts available.

> Top