Saturday, 20 July 2019
MAZAMBODY
Ambotaiazy, na fitohanan’ny fifamoivoizana. Mba misanda ohatrinona re ny fatiantoky ny tsirairay sy ny besinimaro amin’izy io, fa zary fotoam-pialam-boly sy fialam-bala. Efa naleha ity noheverina ho lala-manivaka rehetra. Tsemboka izay tsy ho tsemboka. Nihafaingana sy nihamafy nanjary henoko tety ivelany ny fidoboky ny foko satria natahotra mafy tsy hahatratra ny fotoana hovonjeko aho. Efa adim-pamantaranandro iray mahery no lany nibanjinana ny fiangonana Jesosy Mamonjy teo Ankorondrano. Resy be mihitsy raha toa nifanala hazakazaka tamin’ny sifotra sy ny vitsika ary ny sokatra. Koa satria...