Sunday, 14 February 2016
INONA IHANY E
Hifanaraka ve isika fa hotononina amin'ny anarany ny zavatra? Izaho ange sahy. Fa mandratra hoe. Mandratra sofina, mandratra fo. Raha hihodinkodina indray, toa tsy misy mahazo. Efa tokony hihomehy, mbola misy mivandravandra ihany! Efa fampahatsiarovan-tena, mbola misy mivanìka ihany! Fa rehefa apetraka tsara eo amin'ny toerany ny teboka ambonin'ny zanatsoratra "i", amin'ny feo milamina sy mazava ary averina in-telo, dia azony ihany. Na izay izy vao miseho ho mahazo. Ary tezitra. Tsy faly izy fa notononina tamin'ny anarany ny zavatra! Tsy tokony...