Saturday, 06 April 2019
TAMAN-KOMAM-POTSINY
Te hivazavaza faran’izay mafy aho hanazava sy hanaporofo fa tsy mitombina ny hoe « tsy misy asa ». Ahoana no handreseko lahatra anareo tsara fo sy fanahy rehetra ireo, fa io tolotolotra maimaim-poana ataonareo indray mandeha isan-taona io, dia poizina mikolokolo ny toe-tsain’olona ho taman-koman-tsy misasatra. Ny hany ezaka ataony dia mamantatra ny tetiandronareo mpanao asa soa, ary dia vita ny fivelomany. Ny fahantrany tsy afaka fa miorim-paka hatrany, ianareo koa mino sy manantena anjara toerana metimety any an-danitra ! Fa ny olona tena miady aman’aina te hiavotra, dia takona sy hadino...