Sabotsy 21 avril 2018. Mitombo hatrany ireo daty hotadidiana ka dia hanoratra kely aloha ho fahatsiarovana.   Nivadika tsy hitahita ho fanaisorana mpitondra fanjakana ilay hoe tatitra hataon’ny solombavambahoaka. Idiran-doza koa ity Ingahy fa voahosotra ra moramora foana teo ny tanany, ny andro voalohany ihany nirotsahan’ny olona an-dalambe. Poa toa izay ny firongatr’ireo mpikopakopaka afo, nipoipoitra tsikelikely avy any an-davaka nisitrihany tany rehefa avy nitsapatsapa kely ny halalin’ny rano.   Ny otrik’afo anankiray kosa, maty ho azy tsy nidonaka, tsy mba nisy...

Read more 0