I Jesosy ihany no nasaina nilonjy ny hazo hamantsihana azy.   Dia samy manana ny hazo fijaliana lanjainy tokoa moa ny olona. Hoy #Delacr hoe samy manana ny kapoaka keliny isotroany ny rano tsy tiany.   Tokony hampalahelo fa ity iray ity dia nampihomehy ahy. Tena hoe aza manody fa dia nihomehy moa aho.   Havanay i Naina-kely. Izy dia rangahy kely raim-pianakaviana faran'izay maresaka. Vao maraina be izy, isan'andro, dia miainga avy any an-tranony any am-badik'i Tanjombato any, mandeha bisikilety, hamonjy asa any Antananarivo any. Tsy fantatro hoe asa inona dia asa...

Read more 0