Sunday, 08 September 2019
THEATRE HONO KA HOE
Azafady Ramatoa Clara RAZAIARINOSY fa mba hampiasaiko io « hono ka hoe » nanaovanao fandaharana nahafinaritra tao amin’ny Radio Korail io ! Tena mety be amin’ity resaka ity mantsy ilay izy. Maha-sarotiny ahy ny toe-javatra mitarehin-kalatra sy fisandohana, ka dia tononiko amim-panajana ny anaranao. Théâtre no horesahana. Ilay oha-pitenenan’ny Gasy hoe fihatsarambelatsihy dia misy mifandanja aminy eran-tany. Matetika io olona atao hoe Gasy io dia mihevitra ho hany miavaka eto an-tany, mihevitra ho foiben’ny zavaboary rehetra. Tsara ihany ilay fiheveran-tena ho « zavatra » fa tokony...