Friday, 01 November 2019
NY FAHAFATESAKO
Tsy misy na inona na inona azoko sary an’eritreritra ny amin’ny fahafatesako sy izay hanaraka azy rehetra. Tsy misy na inona na inona azoko anafarana sy ameperana ihany koa. Tsy misy na iza na iza tsinona, azoko terena na iangaviana hanatontosa ny fara hafatra sy faniriako. Tsy hanoratra didy miafina aho, fa ny fiomanana ataoko dia ny mampirimpirina dieny izao ny fananana keliko, tsy hiparitaka be loatra. Dia mba manoratsoratra ny teny ireriko toy ny mahazatra ahy aho. Tsy mino fitohizana aorian’ny fialan’ny fofonaina tsinona aho. Tsy mino aho fa haka endrika hafa fotsiny ilay...