13 août. Tsy hadinoko mihitsy io andro nahaterahanao io. Efa nolazaiko fa mitovy daty amin'i Bodo. Ny taona no samy hafa. Tsy hadinoko ihany koa izay nolazaiko anao. Tafaresaka isika mikasika ny atao hoe "teny ifanomezana". Dia hoy aho tamin'izay : "raha sendra tafaraka isika ka nisy faty olona teo, na nataontsika na tsia; raha hifanaraka isika fa hamono olona ka tsy hiteniteny mihitsy, na hiady aza isika indray andro any, dia tsy hamoaka ny resaka nataontsika samy irery mihitsy aho." Tsy niozona aho fa tsy tiako izany. Tsy namono olona isika fa fara tampon'ny heloka izany....

Read more 0