Monday, 24 April 2017
RY ANJELY MPIAMBINA ANAY ...
Alarobia. Amin'ny 5 ora hariva. Malaladalaka ny taxibe niainga teo Ambohijatovo, miantsoantso Andavamamba-Ambodin'Isotry-67 hectares. Mbola misy tohiny fa tsy henoko. Taxibe Mercedes lehibe ilay avy any aoriana ny varavarana. Teo amin'ny seza aoriana indrindra, nisy olona roa. Tsy miara-dia izy ireo. Tovovavy tokony ho efa miasa, na mpianatra amin'ny université no teo amin'ny tandrifin'ny lalantsara. Tany amin'ny fitaratra kosa, lehilahy. Misy miantso amin'ny téléphone ilay tovovavy, dia mamaly hoe "efa eto Ampefiloha fa embouteillage be fa mi-bip aho rehefa tonga". ...