Sain'olombelona tsy ilàna diplaoma dia ampy hanavahana ny mety sy ny tsy mety, ny tokony sy tsy tokony. Ireto "mpitondra" ve dia tsy mahalala ilay hoe aleo misoroka toy izay mitsabo. Sa efa nataony teny faneva ny hoe rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany! Tsy mbola very akory anefa ny laona dia efa "niandry" izy. Izany hoe rafotsibe miandry laona ho very, ka rehefa very indray ny laona dia miandry izay higadonany. Tsy dia fantatro ny nahatonga ilay oha-pitenenana, fa dia izay no sary asehon'ireto atao hoe mpitondra. Mipetraka tsara amin'ny seza, kopahan-dalitra,...

Read more 0