Thursday, 06 April 2017
MBA AMPIANARO KY ZA A
Bozy ô, Tsy dadanao na neninao daholo ny olona fa mba fidifidio, hono, izay teny havoaka sy izay zavatra soratana. Tsy manana ny ataonao hoe sens de l'humour avokoa ny mana-maso sy manan-tsofina rehetra. Raha tohina ange ny aty, marary ny afero e. Misy manara-maso akaiky sy mangina io ataonao rehetra io. Asa aloha na efa iandrasan'ny olona kendrintohina ianao ka manokana mpiandry raharaha mihitsy izy hitily izay teboka amam-paingo avoakanao. Asa na izany na tonga amin'ilay hoe fianarana ho an'ny mino ianao ! Ny voan-teny rehetra alefanao ange ka...