Wednesday, 10 August 2016
30 SEPTEMBRE 1895
Raha tsiahivina fohy ny tantara , ny 30 Septambra 1895 no nisy ny tifi-tafondro nataon’ny tafika frantsay niainga teny Andrainarivo namely ny Rovan’Antananarivo. Tsy nahasehaka io tifi-tafondro io ny tao an-dRova ka nampanangana saina fotsy ho mariky ny faharesena. Ny 01 Oktobra 1895 dia nosoniavina ny fifanarahana fa i Madagasikara dia lasa « Protectorat français » izay midika hoe : -miala ny Praiminisitra Rainilaiarivony nosoloina an’i Rainitsimbazafy, -ny Mpanjakavavy Ranavalona III mijanona ho mpandova fiandrianana sisa fa tsy manana fahefana intsony. Ny...