Wednesday, 05 April 2017
Ô RY VAHOAKA !
Izao no izy ry ambanilanitra, Io zavatra rehetra amin'ny raharaham-panjakana io dia hita soa aman-tsara any amin'ny sehatra kelikely rehetra : ankohonana, fianakaviana, fiangonana, fokontany, toeram-piasana, ... Rehefa vondrombondron'olona e. Ka asa na ny traikefa any amin'ny sehatra kely no entina any amin'ny sehatra lehibe, na ny mifamadika amin'izay. Fa izy roa miaraka dia mifamolavola tsara. Hotsorina ny sary. Misy ny vahoaka tsotra. Ireo maro an'isa. Raha fintinina, dia ry malain-kisahirana nefa manaiky hatao tohatra fiakarana. Ireo ilay mody voriana rehefa avy nanao...