Thursday, 20 June 2019
NY HAFETSENA FOLON'NY MPITADY MPAMELONA
Asa rey olona raha misy toeram-pampitana fahaizana manambaka any ho any. Fa raha izany no marina, dia efa tsara lalana mankany amin’ny fahaverezana ny taranaka malagasy. Tsy fantatro izay taranaky ny zanak’olombelona, fa ny taranaka malagasy no hitako, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Olona malagasy no resahana fa tsy olona monina sy mivelona ao Madagasikara. Ary indrindra fa olona malagasy mitoetra ao Madagasikara. Voalohany aloha, tena sarotra dia sarotra ny ahitana olona « hanampy ». Tsy boto na andevo, fa hanampy, ary hokaramaina araka ny lalàna manan-kery, hoentina araka ny...