Sunday, 30 December 2018
KITROTRO
Tamin’izahay mbola zaza, raha vao mandre ny ray aman-dreninay hoe voan’ny kitrotro na nendram-boalavo na donika ny zanaky ny havanay, dia entina any izahay « mba ho voa ». Satria fantatry ny ray aman-dreninay, fa misy aretina atao hoe « immunisant », ka toy ny vita fanefitra rehefa voany indray mandeha. Amin’izao fotoana efa « mazava », heniky ny fandrosoana izao, dia indro fa mirongatra ity karazana aretina efa tokony ho fongotra ity, anisan’izany ny kitrotro. Aretin-jaza kokoa izy io, saingy ankehitriny dia manjary mahavoa ny olon-dehibe. Dia hoy aho hoe : -na tsy...