Inty ny ron'anana ry zareo. Rony fa tsy roniny !   Rehefa mba manao zavatra dia ataovy amin'ny fo sy fitiavana. Traikefan'olombelona no itenenako an'izany fa tsy misy ifandraisany amin'ny tenin'ny Soratra Masina.   Sakafo no horesahana. Mahafantatra olona aho, mitambatra ao aminy ny tsy fitiavana an'ireto manaraka ireto : anana, voanemba, voatavo sy ny tariny, korizety, saosety, baranjely, angivy. Angamba vokatry ny fahavoazana ara-tsaina teo amin'ny fahatsiarovana ratsy tamin'ireo sakafo ireo : fahasahiranana ara-toekarena ka ireo no mora vidy sy niverimberina...

Read more 0