Saturday, 09 December 2017
SAKAFO
Fiofanana nandoavam-bola, natao teto Antananarivo. Roa andro. Nolazaina fa efa ao anaty sarany ny sakafo antoandro. Ny mpihofana dia misy avy amin'ny toerana samihafa tena lavitra : Miarinarivo, Moramanga, Antsirabe, Marolambo, Toamasina, Sambava, Nosy Be, sy ny sisa. Ny toeram-pihofanana dia afovoan-tanàna ahitana karazan-toerana ahazoana misakafo na manohana aina, sahaza ny fahafaha-mividy rehetra. Ny ora fihofanana dia ahafahana manomana sakafo avy any an-trano tsirairay avy. Izany hoe, tsy sahirana mihitsy na tsy nisy sakafo antoandro aza. Tsy fantatro na ampahafiriny...