Thursday, 07 February 2019
EN MODE ZONE
Ny ZONE SY NY TONTOLONY dia hatao taranja mitokana. Ny azo tonga dia lazaina aloha dia hadisoan-kevitra ny hoe nitondra « fandrosoana » izy ireny. Dia hadalana miharo kasoa koa ny alahelo be raha « foana » na lefilefy izy ireny. Rehefa mahita olona maromaro milahatra na mitokoko manara-drindrina, dia azo an-tsaina fa misy vaky balle izay ao : -Entana zaraim-potsiny toy ny mofo eny amin’ny karàna rehefa zoma, … -Fizaham-pahasalamana sy fitsaboana solde be -Dokam-barotra finoana sy fanantenana ary fahagagana -Fandraisana mpiasa “mety amin’ny zava-drehetra”...