Friday, 22 September 2017
155 TAONA LASA, FIARAHA-MONINA (TSY) NISY RAORAO
Ny talata 23 septembre 1862 no niseho tamin'ny Ambanilanitra teny Imahamasina RADAMA II (Rakotosehenondradama). Tsy mbola nisy fisehoam-Mpanjaka nanetriketrika toy ity teto Madagasikara, natrehan'ny Fanjakana mahery indrindra any Europe, dia France sy Angleterre. Roa andro mialoha dia efa velona ny harendrina, na ny fandroana ihany aza no fanaovana an'i zany. Tsy nisy teny nidina avy amin'ny Fanjakana, fa noho ny haravoan'ny Ambanilanitra dia rakotra afo izay rehetra tazan'ny maso, na taiza na taiza eran'Imerina. Toy izao ny cortège-n'ny Mpanjaka : -hatrany...