Wednesday, 21 June 2017
SEKTA, TEKNIKA FANARATOANA
Tsy tongatonga ho azy ny fahombiazana sy firoborobon’ny sekta . Misy tetikady voarindra tsara ao, ary ny sekta dia rafitra tsy kitoatoa mihitsy fa manana teti-pivoarana nosainina sy nohalalinina ary nohavaozina isan’andro. Miray feo ny mpandinika maro fa mandalo dingana telo hatrany ny fomba fiasan’ny sekta : -manjono, -manapotika ny fahafaha-mandinika, -mandentika tanteraka tsy hahafahana miverin-dalana intsony. 3-1-Manjono = Manarato olona Tsy mahavita irery an’izay tiany hatao ny mpitarika sekta fa mila olona hataony fitaovana : isam-bahoaka hisehoana fa «...