Friday, 11 May 2018
RADAMA NANJAKA TAPANY, RADAMA I, Fizaràna IV
11 mai 1863 Atao hoe nanjaka tapany ny olona rehefa tsy tody amin’ny fetra tokony ho izy eo amin’ny fanapahana. Ny alarobia 23 septembre 1829 tamin’ny 6 ora no teraka tao Imasoandro RAKOTOSEHENONDRADAMA, zanaky Ranavalona I sy Andriamihaja, hovalahy, araka ny tantara. Misy milaza fa manga maso ilay zaza, ka mety ho zana-bazaha. Izao no kabarin-dRanavalona I : « Izao no lazaiko aminareo Ambanilanitra, nangetaheta aho ka sendra rano, nikororo-bary ka sendra rivotra, tonga tiana ka tsara lamba ary naniry zaza ka tera-dahy. Izao no lazaiko aminareo, matokia ry...