Friday, 03 May 2019
ANDRIANAMPOINIMERINA

Anjozorobe dia tsy anisan’ny Fanjakana Merina. Andriamiharamanjaka no Mpanjakany. Andriambelomasina kosa, dia Mpanjakan’Ambohimanga, merina. Nanana zanaka am-polony maro Andriambelomasina, fa akaikin’ny fony kokoa ny lahimatoa Andrianjafy, sy ny vavimatoa Ranavalonandriambelomasina. Fanjakana nifanila Anjozorobe sy Ambohimanga, ka mba hitandroana ny filaminana amin’ny fanjakana roa tonta, sy mba hiatrehana ny ady amin’ny fanjakan’Imerinatsimo sy Ambohidratrimo, dia nomen’Andriambelomasina ho vadin’Andriamiharamanjaka, Ranavalonandriambelomasina zanany vavimatoa. Efa nanana...