Sunday, 05 June 2016
TENDROMBOHITRA
Variana foana aho rehefa mijery tendrombohitra avy lavitra, na avy eny ambony ... Dia tadidiko foana ity tantara kely tao anaty boky nianarako vakiteny ity. Boky atao hoe Tsingory, nataon'i Prosper RAJAOBELINA. Niainga, hono, ny tany fa hiady amin'ny lanitra. Dia nifanao fotoana ny tany. Samy hisavoana hanafika ny lanitra rahampitso maraina. Nony ampitso, ny sasany nifoha mbola maizina dia lasa. Ny sasany natory maraina ka niposaka ny masoandro vao tafainga. Ny sasany tsy nihetsika akory na efa antoandro be aza. Avo ny lanitra ka tsy nisy...