Saturday, 28 October 2017
MAHAY MIASA

Inona moa no tena niavian'ny hoe "matihanina" (sa matianina) ? Ny tarehy no an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamoraina. Misy koa ny atao hoe vintam-boka. Hoy aho hoe rehefa mba tongatonga fahatany amin'ny toerana iray, dia mba miezaha mianatra ho mendrika an'ilay seza sy ilay anaram-boninahitra. Saingy indrisy fa raha nanana "hambo" ilay olona, dia tsy ho nanaiky akory hapetrapetra-poana sy hipetrapetra-poana ary hibitabitaka amin'ny zava-tsy hay. Raha nisy koa ny saina nety nahay, dia hafa kokoa ny fisehoan-javatra. Matetika dia tsy tafaraka ny fandria-mafana sy ny valala...