Friday, 19 April 2019
AMIN'NY ANDRO FAHATELO
Zoma masina 2019. Afaka mitsara izay tsy ampy fialam-boly sy fanalàna andro. Izaho dia kristiana protestanta voaray ho mpandray ny fanasan’ny Tompo. Fa izaho dia nomen’Andriamanitra fitadidiana tena maranitra, ary toy ny tsy anadinoako ny tsara nomena ahy no hahatadidiako ihany koa ny ratsy vita tamiko. Ny Tompo no ifonako fa misy andinganako ny « vavaka nampianariny ». Ry Ingahy nanam-pahefana, Tadidinao angamba, tompoko, ny namakianareo lalana teo amin’ny taninay, nitaomanareo ny vaton-karieranay tsy nisy fifampidinihana. Vola an-tapitrisany no azonareo tamin’izany. Fantatrao...