Mampiteny irery mihitsy ianareo! Raha izany fahasahiranako izany no mbola ahitako fotoana anoratana tahiry ho an'ny zanaka amam-para, dia tena efa mampitolagaga mihitsy ianareo! Ianareo rehetra mihitsy, na ny mpitondra na ny entina. Izaho kosa torotoro ato ampovoany ato. 1-Efa hita fa faty olona, ndeha hatao hoe vendrana ny dokotera gasy sy ny ministeran'ny fahasalamana. Fa ny nosy manodidina no efa mandray fepetra mihatakataka amin'ilay Madagasikara. Mbola misy manontany ihany hoe tena misy ve ilay pesta! 2-Sady mimenomenona hoe tsy voafehin'ny mpitondra ilay pesta, nefa ny...

Read more 0