Tena efa tsy te hiresaka an'ity sehatra ity intsony mihitsy aho. Fa tsy maintsy hamoha fota-mandry ihany. Maty ilay vehivavy tonga hiteraka. Henoko ny feon-dakolosy avy amin'ny fianakaviany. Nasian'ny mpilaza vaovao sasany sira sy karibonetra araka izay metimety aminy ihany koa. Dia nandray fitenenana ny tompon'andraikitra ao amin'ny Ministera. Mazava ho azy fa tsy maintsy mamely latsa kely toy ny mahazatra an'ity Fitondrana ity : "efa taraiky loatra koa ange vao tonga taty ilay olona e". Eny e. Taraiky ny olona. Tsy ampy ny fitaovana. Sarotra ny toetr'aretina. Tsy Zanahary...

Read more 0