Eto an-katoky ny Paka 2016.   Toy izao ny fampandrenesana ny fodiamandrin'ny mpiara-miasa anankiray : "nantsoin'ny Ray ho eo anilany hiara-tsambatra aminy ka hitsangan-ko velona miaraka amin'i Kristy amin'ny Paka ... "   Fanekem-pinoan'ny fianakaviany, nampahatsiaro ahy tantara kely niseho taona maro lasa izay.   Tany amin'ny Sekoly Alahady, dia nampianarina anay hoe atolory an'i Jesosy ny fonao, apetraho aminy ny mikasika anao rehetra. Tamin'ny feo sy endrika feno faharesen-dahatra no nitoriana taminay, lalandava, fa izay manatona azy tsy mba holaviny mihitsy....

Read more 0