Wednesday, 02 May 2018
EZAKA TSY MISY MENAKA
Tamin’ny alahady 29 avril 2018 no feno 87 taona ny radio madagasikara, ilay lazaina hoe radiom-panjakana. Toy ny vao omaly ilay feo nifampisangiana hoe RNM valopolo taona ! Rehefa nataoko ny fandinihana rehetra, dia mbola ekeko fa hafa ihany ny RNM. Tena hafa mihitsy. Ary tsy nandiso an’izany ny « fahendrena » niatrehan’ny tale Johary Ravoajanahary an’ireo solombavambahoaka hoe mitaky fanovàna, ny omalin’io andro io … Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia zavatra tsy maintsy ataoko isan’alahady ny mihaino ny RNM (radio nasionaly malagasy) rehefa alahady maraina amin’ny 6 hatramin’ny...