Monday, 24 April 2017
FAKAN-TSILO
Mba hanala adidy fotsiny aho satria fantatro ihany izany hoe miala nenina sy miezaka hitazona ny aina ela araka izay tratra ka mampanaotao foana indraindray ... Noheveriko fa noho ilay felany tena tsara tarehy toy ny vonin-tsilo rehetra no nangatahany an'ilay tsilobe tao aminay. Hay hono hangalany fakany fa fanafody "reins" (voa) ! Ny fandreko dia hoe fanafody "vato" amin'ny voa (calcul na lithiase) ny fakan'io tsilo telo rirana io. Tsy hoe fanefitra (fiarovana) fa fanafody (fitsaboana). Marihana fa rénal ny calcul raha any amin’ny reins, fa mety hisy vato koa any amin’ny tranon’afero,...