Palitao manakon-drantsana!   #Honorat_HERISOLOMAHEFA ao amin'ny tarika mpanao fanentanana mampihomehy atao hoe #Fou_hehy no nahenoako an'izay.   Ary dia azo sary an-tsaina ny tiany hambara. Tsy ny zaza ividianana akanjo noho ny vanim-potoana toy izao no resahany.   Fa ny olon-dehibe mampividy na mividy maimaika, akanjo mampisondro-danja na hoe sahaza ny fahefana vao natolotra na norombahana... Dia ireo olona mihevitra fa tsy lavorary ny haja amam-boninahitra raha tsy manao kompilé, izany hoe palitao sy pataloha voazaitra tamin’ny ravin-damba iray. Lafolafo, elaela...

Read more 0