Sunday, 17 September 2017
NY MPILALAO
Afangaron-dry zareo ny Mpanao vakodrazana sy ny Mpanao hiragasy. Alahady maromaro tamin'ny fahazazako dia nijereko hiragasy sy mpitsoka mozikan'ny governemanta. Ny hiragasy no hotantaraiko. Eny Ambatofotsy Gara. Nisy havanay teny, toa ry zareo mihitsy no mpikarakara ary dia miara-mijery hiragasy izahay. Mpilalao no niantsoana ny tarika mpanao hiragasy. Tarika roa no mifandimby amin'ny tolakandro iray. Tsy fantatro na mifaninana na mba mifampizara sehatra fotsiny. Avy any Behenjy Gara hono ilay anankiray. Olona roapolo mahery, mandeha fiara Super Goélette. Misy tovolahy...