Tsy entim-poana ny anarana, ary ny olona manam-pototra dia mahalala ny fomban-taniny. Efa ela no tsy nandevenana ny fasan’ny razanay, noho ny antony samihafa. Fa fantatro ny loharano nipoirana, hitako ny akany nahafoizana, ary haiko ny tarazom-pianakaviana. Ny ankamaroan’ny atao hoe fadin-drazana, dia azoko ny antony sy ny tantarany. Tsy nandova be mihoatra noho ny sasany « aho », fa voatsodranon’ny razako hanana hasina manokana kosa. Tsy hotantaraiko, ndrao hotainareo fady. Endri-pitahian’ny razako ahy, ny nitsofany rano ahy ka tsy ho afa-maina izay mampahory ahy, rehefa … isaorako !...

Read more 0