Tsy lainga ity na 1er avril aza androany. Izaho tsy mandainga mihitsy. Tsy lazaiko daholo fotsiny ny marina. Fa miombon-kevitra aminao aho rahavako raha miteny lalandava ianao fa endrika fanajana ny fihatsarambelatsihy. Ary indrindra, fanajana tena angamba hoy indray kosa aho. Dia vidiana lafo tokoa izy izany, araka ilay hoe vidian-kaja, vidiam-boninahitra! Fa nironjona saika nianjera mihitsy ange aho nosintonin'ilay olona horohana e. Itony ilay oroka tsy fantatra intsony na intelo na inefatra. Toa nanamparany nanonerana ny fotoana ela tsy nanaovany coup de tête re aho!...

Read more 0