Monday, 28 August 2017
MIBORY
Rahefa maty, hono, ny mpanjaka taloha, tsy mba natao hoe "maty" fa "miamboho", ary rahefa nalevina, tsy mba natao hoe "nalevina" fa "nafenina". Isaka ny nisy mpanjaka niamboho àry, dia nibory ny vahoakany, izany hoe nokakasana ny volon-doha, na lahy na vavy, na lehibe na kely. Vahoaka-mpanjaka daholo ny Sihanaka rahefa nisy ny toy izany. Mbola tsy maty tadidy mantsy ny nandalovan-dRadama Rainy tany taorian'ny niambohoan'Andrianampoinimerina. Tany amin'ny tapak'Antsihanaka avaratra, nisy tanàna sasany nanohitra azy, nisy sasany tsy nanao izany, saingy lava volo fotsiny ny...