Wednesday, 16 May 2018
CLASSE ET DIGNE
Mazava ao an-tsaiko ny hevitr’izany teny izany, saingy tsy haiko ny handika azy amin’ny tenin-gasy. Tsy kolon-tsainy angamba matoa tsy ananany voambolana. Hambom-po ? Haja amam-boninahitra ? Fahamendrehana ? Dia hisy hamaly boraingona hoe samy manana ny ataony hoe mendrika sy mihaja. Dia hisy hamaly bontana hoe « izay tianay ihany io ». Izay fitondran-tena any anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana ihany no miseho ety ivelany. Fotoana vitsivitsy monja izany no azo afenina, fa atrangan’ny lalam-piainana eny foana. Tamin’ny andron’ny horonam-peo natao hoe...