Inona moa ny Menamaso ?   « Tsy mena-maso olona » no nihafohy ho Menamaso . Tovolahy sakaizan-dRadama II izy ireo fony izy tsy mbola nanjaka, ary rehefa lasa Mpanjaka izy, dia nasondrony ho Mpitsara. Ministra no anaram-boninahitra nomeny azy. Mpiara-milalao, raha amin’ny fiteny ankehitriny dia mpiara-mirevy tamin-dRadama II izy ireo, tao amin’ny Trano Vato eo Ambohimitsimbina. Ny fifangaroan’ny zava-mahadomelina sy ny fiaretana torimaso ihany koa dia nahamena ny masony, ka nifangaro avokoa ny hevi-teny. Ireo no tena Mpanolo-tsaina ny Mpanjaka fa tsy noraharahainy intsony...

Read more 0