Monday, 03 April 2017
RAHARAHA MDRM
Ity manaraka ity dia sombintsombiny momba ny raharaha MDRM, nalaina t@ rakitsoratr'Ingahy RALAIARIJAONA, mpanao gazety, navoaky ny zanany #RALAIARIJAONA_Zo_Lalaina tao amin'ny tambazotra Facebook, mars-avril 2017. Nomarihany fa biographie no nakàna azy ity ka dia misy ampaham-piainana manokana mety ho tafatsofoka ihany koa. Am-panetren-tena tokoa no izaràna azy amintsika. "Izaho (RALAIARIJAONA) dia manambara tsotra tsy misy fihambahambana fa ny Frantsay ihany no nanao sy nampanao ny fikomiana tamin’ny taona 1947. 1 -Ny porofo voalohany dia ny fisian’ny...