HIC-ET-HIAKA

Tag > matoatoa

Saturday, 07 April 2018

TONGA TAMIN'NY BOTRY I LEKÔMA

Efa misasakalina izao, fitantarana tantara mahafinaritra toy itony … Nisy ampahany tamin’ny fotoam-pahazazako niainako tany amin’ny faritra Androy sy Mahafaly. Ambovombe, Amboasary, Tranoroa, Antanimora, Vohitramboa, Isoanala, Ampanihy, Bekily, Betroka, Betioky … Ny atao hoe miakatra ville dia mankany Ihosy na Fort Dauphin. Rehefa toy izany, dia ao amin’ny trano izay omen’ny toeram-piasan’i Dada ihany no mitoetra (gîte d’étape). Miara-mandeha izahay rehefa toy izay. Tao Fort Dauphin àry. Trano lehibe izay no nipetrahana. Trano mahaleo tena mifefy sy misy vavahady tsara hidy....

Read more 0

Saturday, 01 November 2014

TOHIZO FA TIAKO BE IZAY HIRA IZAY

Inty indray ny tantara mahafinaritra rankizy. Tsy mampatahotra ity fa tonga dia vonoy daholo ny jiro.   Taona vitsivitsy lasa izay, ny atao hoe fikambanan-behivavy tany am-piangonana dia ivondronan’ireo ramatoa efa nahazoazo taona, fara faha-tanorany dia efa manana vady aman-janaka. Mpikarakara tokantrano ny ankamaroany, na miasa an-tena, na efa misotro ronono, na mananontena....

Read more 0

No more posts available.

> Top