Friday, 01 September 2017
MISAFIDY NY HANGINA
Misafidy aho mba hanaja, Mba hangina aloha androany Raha mahita anao tomany. Sady izay, Tsy misy koa Na holoarako ny fo, Teny mety mahalaza Na voambolana sahaza izany alahelo izany ... Hetraketraka ny tsiky Raha heverina hampitony Ka tsy hamohafoha intsony Irony ratram-po mikiky. Hetraketraka ny teny Idradrana "mitonia", Tonga latsa sanatria Ny habetsak'izy ireny ... Hetraketraka ny kiry Anerena anao "hahery" Na dia hita f'efa very Izay mba kely voatahiry. Hetraketraka ny hira, Ny mozika fihainontsika Na halefa moramora Mbola toy ny manakora! ...